Faha-20 taonan’ny EDBM: Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara

Notontosaina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny zoma sy sabotsy lasa teo, ny fifaninanana ho an’ireo orinasa, “Corporate Games”, izay nokarakarain’ny orinasa EDBM. Hanamarihana ny faha-20 taona nijoroany izany. Nilaza ny filohan’ny kaomisionina mpikarakara, Razafindratandra Ugo, fa tratra ny tanjona satria nilalao ary nandray anjara avokoa ireo ekipa tonga nisoratra anarana. Niray hina tanteraka ny mpiasa rehetra.
Notsiahiviny fa nahatratra 23 teo ireo nandray anjara tamin’ny baolina kitra lalaovin’olona fito, 33 ny tsipy kanetibe ary 17 ny basikety. Nisy ekipa telo, vehivavy, nifanintsana ihany koa. Nisongadina teo amin’ny baolina kitra ny orinasan’ny Kianja Barea Mahamasina (KBM). Voalohany tamin’ny basikety “mixte” ny Orange, ary ny PRRM nahazo ny teo amin’ny sokajy vehivavy. Lasan’ny Miala Voly kosa ny amboaran’ny tsipy kanetibe.
Nomarihin-dry zareo mpikarakara fa nisy ihany koa ny hazakazaka manodidina ny Kianja Barea Mahamasina, tamin’io fotoana io. Nahatratra 150 isa ireo nandray anjara ary notolorana medaly avokoa izy rehetra.

Fitia Randria

Partager sur: