Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Ambohitsaina Ankatso, ny andiany fahadimy amin’ny Orange Kilonga Mkanetibe. Lalao nokarakarain’ny Place de la pétanque Ampefiloha sy ny ABC ary notohanan’ny Orange. Natokana ho an’ireo ankizy latsaky ny 17 taona. Teo amin’ny lalao ho an’olon-droa, lasan’ny ekipan’Analamanga, nahitana an’i Sitraka sy Rinah ny amboara rehefa nandresy an’i Tolotra sy Nary avy any Vakinankaratra, tamin’ny isa 13 no ho 8. I Tsito avy any Toliara kosa no voalohany teo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision”. Faharoa i Tolotra ary fahatelo i Grasia. Notoloran’ny Orange, mpanohana ny hetsika, “boule” ny mpandresy.
Tanjona amin’ity fihaonana ity ny hanomezana sehatra ireo ankizy manana fahaiza-manao saingy tsy mbola ao anatin’ny klioba, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Mpilalao 64 avy amin’ny ekipa 32 ireo nifaninana ka nisy ny ankizivavikely iray nandray anjara. Nanana solontena tamin’izany ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Boeny, Atsinanana, Itasy, Menabe, Atsimo Andrefana. Tsiahivina fa tany amin’ny faritra hatrany ny andiany efatra tamin’ity Orange Kilonga Mkanetibe ity. Teto Analamanga ny andiany fahadimy. Ankoatra ny fihaonana ho an’ny ankizy, nisy koa ny lalao ho an’ny sokajy “amateur” D2, notanterahina ny sabotsy sy ny alahady.
Tompondaka





