Filoha Rajoelina tany Nosy Varika: “Tsy mifanary isika ary tsy ho voasakan’iza na iza”

Nidina ifotony nitondra fanampiana ho an’ny any Nosy Varika noho ny rivodoza Freddy farany teo ny filoha Rajoelina Andry.

Nivoitra tamin’ny lahateniny fa tsy maintsy tonga tany an-toerana ny tenany. “Tsy mifanary isika. Toy ny vary sy rano ka tsy manaiky hosarahina. Tsy maintsy lasa lavitra rehefa miara-dalana ary tsy ho voasakan’iza na iza”, hoy izy tany an-toerana. Nambarany fa harenina ao anatin’ny fotoana fohy ireo fotodrafitrasa simba. Anisan’izany ny fiangonana, ny biraom-panjakana sy ny sekoly…
Nanteriny fa tsy ho hadino i Nosy Varika ary tsy maintsy mandroso. Nanamarika izany ny asa, nataon’ny fitondram-panjakana, toy ny EPP, mahazaka mpianatra 600. Tsy mbola nisy mpitondra nanao an’izany teto hatramin’izay, araka ny nambarany. Efa vita koa ny birao vaovao an’ny po­lisy ary alefa daholo ny fitaovana rehetra ka hotokanana tsy ho ela izany.
Nanolotra “Ambulance” hary fomba sy vaovao misy “Oxygène” koa ny filoha. Na­nome toky ny filoha fa hanam­boatra fotodrafitrasa ho an’ny rano fisotro. Ho avy mialoha izany ny kamiaô hanao “Fo­rage” maromaro ahafahan’i Nosy Varika misitraka rano fi­sotro avy hatrany. “Tsy main­tsy mifampiantso sy miara-misalahy ary miara-mientana isika”, hoy ihany izy. Natsi­diny fa efa nandeha ny fana­dihadiana samihafa ka tsy maintsy hafainganina ny fa­nam­boarana ny Lalam-pirenana faha-11 (RN 11) . Ho avy tsy ho ela koa ny fanamboarana CSB II sy ireo mpitsabo maro­maro “Caravane médicale”. Atao ao ny fitsaboana maimaim-poana ny aretina rehetra toa ny fanaovana fitiliana toy ny diabète… Notoloran’ny filoha fanomezana koa ireo raiamandreny, ampanjaka noho ny fandehanana dia an-tongotra avy lavitra namonjy an’i Nosy Varika.

Hiofana ireo vehivavy

Momba ny fankalazana ny 8 marsa kosa, nambarany nanasa ireo vehivavy any an-toerana ny vadin’ny filoha hanatrika ny fihaonana nasionaly aty Antananarivo. “Omena fiofanana ianareo mba ahafahanareo miatrika velon-tena… Hovatsiana fitaovana koa ianareo”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, hizarana masomboly sy fitaovana ny any an-toerana. Hisitraka fa­nomezana koa ireo tokantrano marefo. “Tsy maintsy homena karine manara-penitra misy “QR code” isaky ny fianakaviana. Hozaraina isan-tokatrano izany ahafahana ma­naraka ny fanampiana. Ny tanàn-dehibe ihany no voatokana hahazo ny karine misy QR code. Tsy maintsy tonga any amin’ny isan-tokatrano ny fanomezana avy aty amiko”, hoy ny filoha.
Nambarany nanoloana ireo ben’ny Tanàna fa efa tonga ny moto ahafahana mikara­kara ny vahoaka. Nambarany fa hojerena ny fanamboarana ny baka ary horaisina an-tanana miaraka amin’ny fotodrafi­trasa hafa tokony hatao sy tsy maintsy tanterahana izany.
Namintinan’ny filoha izany ny nilazany fa tsy maintsy hanampy ny vehivavy, ny tan­tsaha ary hanampy ireo madinika indrindra ny ankohonana sahirana sy ny tanora ny te­nany.
Nanao “Asa tagnamaro” tamin’ny fanarenana ny se­koly ny filoha Rajoelina avy eo ary nizara sakafo sy koba aina ho an’ireo traboina sy ny ankizy any an-toerana.

Synèse R.

Partager sur: