Banky Foiben’i Madagasikara : Tazonina ho 12,50 % ny tahan’ny zanabola

Notazonin’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ho 12,50 % ny tahan’ny zanabola fototra. Mihatra nanomboka ny 4 novambra izany, mandritra ny telo volana. « Tanjona ny hampidina ny fidangan’ny vidim-piainana ho 5 % anatin’ny fohy ezaka », hoy ny BFM. Nahatratra 8,6 % ny fidangan’ny vidim-piainana tamin’ny septambra 2026, raha 6,8 % izany tamin’ny marsa. Tombanana hiakatra ho 9,3 % amin’ny de­sambra ny tahan’izany. Anisan’ny mampiakatra ny vidim-piainana ny fiakaran’ny vidin’ny sakafo sy ny angovo.
Etsy ankilany, nihatsara ny toe-karena malagasy. Tombanan’ny BFM hahatratra 3,5 % ny fitomboan’ny harin-karena faobe amin’ity 2026 ity. Manampy ny toekarena ny fizahantany, ny findram-bola avy any ivelany ary ny fifandraisan-davitra. Nahatratra 3,6 miliara dolara ny tahirim-bola vahiny tamin’ny faran’ny septambra teo, ampy nanafarana entana nandritra ny 6,4 volana.
Na izany aza, mbola atahorana hampiakatra ny vidim-piainana ny disadisa iraisam-pirenena sy ny fiakaran’ny vidin’entana. Hanara-maso ny toe-draharaha ny BFM ary hanitsy ny politikam-bolany raha ilaina.

Henintsoa

Partager sur: