Samy amin’ny manahirana azy

Misy mihevitra ho toy ny tsy misy ny olana eo amin’ny raharaham-panjakana. Indrindra ny mahakasika ny resaka etika, ny fanajana lalàna, ary indrindra ny fanaovana tsinontsinona ny lehibe. Miitatra toa sima misioka ny fifandrefesana amin’ny samy mpiray donakafo. Misy ny manipy rano maloto, maro no manabolisatra amin’ny hoditr’akondro. Tsy vitsy ny mamelatra vaky tavoahangy mihitsy mba hanimbana na ny namana aza.
Tsy maninona anefa izany, efa izay no fanaovan-dRamalagasy politika eto amin’ny tanàna. Tsy misy manandratra ny tenany mba hisongadina fa tsy maintsy manakona sy manimba ny namany vao mihevitra hoe mba ho tazana. Lasa anjakan’ny tsy matoky tena ilay raharaha manga, hany ka mibirioka hatramin’ny fitondrana. Tsy mahagaga ny fihoaram-pefy mahametra ataon’ny sasantsasany.
Samy amin’ny manahirana azy rahateo ny olon-drehetra. Ny maka bahana mialoha, efa eny an-kianja. Manohy ny asany andavanandro, mamadika ho herijika mialoha hoenti-miatrika ny hoavy rehetra. Ny mpanoha-riana, tsy mikely aina misintona midina tsikelikely eny. Ny fetsifetsy indray, mahay milalao, misababaka. Sady fanavaozana no tsy fanavaozana any ambadika. Efa mba manana ny kajiny manokana koa.
Raha ny zava-misy ankehitriny, ao anatin’ny fitondrana ihany aloha no mpanohitra. Misy ny tena manonofy tafahoatra, hany ka manaotao foana. Tsy takona hafenina koa ny nanongana mba te ho lohany amin’izay. Mampanahy fa mitady tsy hahandry tantana. Namanay izy ankehitriny, ahina ny hahafahavalo politika azy aoriana kely. Efa milanja kibay an-kelika, miandry kendry tohina fotsiny avy eo.
Hamehezana azy, raha tena mila fanavaozana i Madagasikara, mila toe-tsaina miova sy mivoatra. Tsy tiatiakely fa mahay mankasitraka dia mahay mizara.

r.r

Partager sur: