Fikomiana amin’ny fanjakana

Manahirana ny zava-misy ankehitriny. Miovaova ny sary amin’ny fivoaran’ny raharaham-pirenena. Mibaribary loatra ny tsy fandehanan-javatra amin’ny lafiny maro. Ny tena zava-doza ity fahasahian’ny mpiara-miasa mifane­baka imasom-bahoaka sy amin’ny tambajotran-tserasera ity. Lasa tribonaly ilay Facebook. Tsy voahaja intsony ny rafitra an-tanantohatra. Tsy mipetraka ilay fahefam-panjakana. Ny maodely indray no manome ohatra ratsy.
Mahamenatra ny zava-mitranga etsy sy eroa. Mamo­hehatra ireto manampahefana isan-tsokajiny. Indrisy fa ilay filoha no mahita faisana sy mahazo tsiny. Taiza teto ambonin’ny tany no “miady an-tsena” ny samy tomponandraikitra ambony. Teren-komasaka toa voalobo-jaza ny fanapahan-kevitry ny sasany. Mamaly bontana an-kitsirano ny ankilany. Inoana fa miiba andro aman’alina ny kisary homen’ny sasany ilay Fanavaozana.
Diso toerana ny hambom-pon’ny sasany. Mandeha aloha loatra ny kajikajy tsy amin’ny fotoany ho an’ny hafa. Ny mampihomehy mampalahelo, ny mifanohitra amin’ny tanjona tiana hotratrarina ny zava-mitranga. Hany ka izay heverina fa hanandratra mainka manetry voninahitra. Tsy ampy ny fahamatorana ho an’ny sokajin’olona sasantsasany. Miakatra any amin’ny zanakatidohany ny tsy fahazakana ilay voninahitra.
Mainka mifotetaka amin’ny tany ilay fikasana hisandratra ambony dia ambony. Diso tanteraka anefa ny tetika sy ny paikady entina miaro tena. Tena hoe ilay antenainy hanirina no mainka nampivandravandra azy. Mitsimba­dika ambony ambany ny faniriana sy ny to. Hita taratra ny tsy fahampian’ny fanajana ny etika sy fitsipi-pitondrantena rehefa mihevi-tena fa eny an-tampony. Mampanongo tena ny zava-misy indraindray eto amin’ny firenena.
Raha fehezina, ireo olona nomem-pahefana mihitsy no mila havaozina aloha. Tsy hisy fanovana araka ny tokony ho izy izany raha vao ny mpiantsehatra no sadasada. Rafitra tsy maintsy hialohavan’olona!

r.r

Partager sur: