Eo am-panomanana ny famerenana ny fitaterana an-dalamby suburbain (PK 0-Anjeva-Majakandriana). Nisy ny fidinana ifotony tany Anjeva sy Manjakandriana nataon’ny minisiteran’ny Fitaterana (MTM) sy ny tomponandraikitra samihafa. Nojerena ny fotodrafitrasa rehetra, toy ny gara fiantsonana, ny lalamby, sns. Tanjona ny hamerenana ny fitateran’olona sy ny entana ary solika.
Mitohy ny halatra tariby mitondra herinaratra any amin’ny faritra Itasy. Mirefy 900 m indray ny tariby nisy nangalatra ny alin’ny 5 novambra teo, tany amin’ny fokontany Ambohipaly Morafeno, kaominina sy distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Voatery tsy maintsy soloin’ny Jirama ireo tariby very, ka miato vonjimaika ny famatsiana herinaratra any Soanierana Ambony, Anosy, Manjakazaza, Mahatsinjo ary Ambohitrambo.
Nametrahana jirobe manazava arabe miisa 24 etsy amin’ny farihin’i Behoririka, omaly. Nanatanteraka ny asa ny Jirama, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH). Natao izao hanatsarana ny fahazavan’ny Tanàna, hampitomboana ny tahan’ny fisitrahana herinaratra, hanamorana ny fivezivezen’ny mponina ary ny fiahiana ny fandriampahalemana.





