Efa roapolo taona mahery, 2004, izay no nametrahana rafitra iadiana amin’ny kolikoly. Tamin’izany, anisan’ny nahabe resaka sy adihevitra, ohatra, ny hoe: nahoana no tsy mba anisan’izay tsy maintsy manao fanambaram-panana ny filohan’ny Repoblika? Tsy voafaritry ny lalàna, hono. Misy ny ambonin’ny lalàna? Na ny lalàna no nataon’ny mpomban’ny mpitondra amin’izay mahametimety azy… Tsy vitan’izany, saika ireo madinika ihany no tratran’ny fanenjehana. Tsy misy resaka ny hoe trondro vaventy? Nefa tenenin-dava ny hoe: tsy misy ambonin’ny lalàna, rehefa lalàna dia lalàna. Tsy tena nampiharina manontolo sy amin’ny antsipiriany, fa mitanila sy zara fa atao.
Amin’izao, mby aiza izay ady amin’ny kolikoly izay? Tato ho ato, toa mirongatra be ihany ny kolikoly, ny tsikombakomba ratsy, ny tsimatimanota… Soa ihany, misy ny fanapahan-kevitra mazava sy hentitra fa tena atao ny ady: tsy ananan-kavana, anasaziana… Rehefa lalàna tokoa dia lalàna? Manomboka amin’ny tena, ny manodidina.. Rahoviana vao tena kolontsaina mandeha ho azy sy iainana andavanandro ny fanajana sy fampiharana lalàna? Tsy tahotra fitsarana sy fonja, fa fahatongavan-tsaina sy faharesen-dahatra ary fiainana fa ratsy ny kolikoly, mampahantra, fanetriben’ny firenena… Izay no tsy ampy amin’izao? Mila fanovana sy fanavaozana…
Ny zava-misy amin’ny fanapahan-kevitra sy fahavononana hanao fanovana no fiovana ho amin’ny fanavaozana ny saina? Na ny saina tapa-kevitra sy vonona hanova koa no hanovana ny zava-misy… Na amin’ny fampiharan-dalana izany, na amin’ny firaisan-kina… Ady iombonana io? Na mampiombona… Samy miova, samy manova. Amin’izay, ho hitan’ny havany hoe ny tanana zatra mivonkina amin’ny kolikoly ka tsy afa-kitsotra intsony amin’ny fandavana izany.
R. Nd





