Orinasa afakaba : Nihena 10,3% ny vola azo tamin’ny fanondranana

Niiba hatrany amin’ny 10,3% ny vola azo tamin’ny fanondranan’entana, ho an’ireo orinasa afakaba, nandritra ny telo volana fahatelo ny taona 2026.

Nivoitra izany tao anatin’ny tatitra navoakan’ny’ny Banky foiben’i Mada­gasikara. Asongadiny ao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena fa nihena ny entana naondrantsika tany ivelany na dia niakatra ny vidiny teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nahatratra 42 627,8 taonina (t) ny vokatra naondrantsika nandritra io vanim-potoana io raha toa ka 50 373,2 t izany nandritra ny telo volana fahatelo ny taona 2025. Izany hoe, nihena 15,4% ny taha-panondranana nataon’i Madaga­sikara. Tsy nahatohitra izany koa ny fiakaran’ny vidiny, izay nisondrotra 6%. Lasa 12 340,1 dolara izany raha toa ka 11 636,6 dolara teo aloha. Vo­kany, nisanda 526 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ny fanondranana nandritra ny telo volana fahatelon’ny taona raha toa ka 586,2 tapitrisa dolara izany tamin’ny taon-dasa.

Sehatra
Voakasik’io fihenana io ny sehatry ny lamba, izay anisan’ny vokatra fanondran’ireo orinasa afakaba. Mahatratra 19,4% ny fihenana. Ankilany, niantraika betsaka tamin’ny sehatra ihany ny fihenan’ny tinady any ivelany, indrindra ny tsena amerikanina. Nam­panalasala ireo mpanafatra entana ny rafitry “African Growth and Opportunity Act” (AGOA) tamin’ny taona 2025. Nihena araka izany ny tsenan’ireo orinasa afakaba.

Henintsoa

Partager sur: