Hetra – Taona 2027: Lasa 5 000 Ar ny IRSA farany ambany

Hiakatra 67 % ny vola farany ambany alaina amin’ny hetra amin’ny vola miditra amin’ny karama (IRSA), manomboka amin’ny taona 2027. Tafakatra 5 000 Ar izany, raha 3 000 Ar teo aloha, ho an’ireo manana fidiram-bola iharan’ny hetra tsy mihoatra ny 350 000 Ar. Fepetra tafiditra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2027 (PLFI 2027). Tsy hisy kosa ny fiovana amin’ny taha ampiharina amin’ireo sokajin’ny vola miditra iharan’ny hetra. Tombanana hampidi-bola fanampiny 4,8 miliara Ar ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny fampiakarana ny IRSA farany ambany ity. Paikadin’ny Foibem-pitantanana ny Hetra (DGI) ny hampitomboana ny vola miditra avy amin’ny hetra. Kendrena hahatratra 6,2 % amin’ny harinkarena faobe (PIB) ny tahan’ny vola miditra avy amin’ny hetra anatiny amin’ny taona 2027. Ankilany, mahatratra 6 923,20 miliara Ar ny vola miditra avy amin’ny hetra anatiny kasaina hangonina amin’io taona io, alohan’ny fanesorana ny fandaniana mifandraika amin’izany. Mihoatra 701,50 miliara Ar na 11,28 %, raha oharina amin’ny vinavina napetraka tao anatin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2026 izany. Eo amin’ny IRSA manokana, vinavinaina hahatratra 1 038,08 miliara Ar ny vola ho voaangona amin’ny taona 2027, raha 966,27 miliara Ar izany tamin’ny taona 2026. Mitentina 71,81 miliara Ar, araka izany ny fitomboana andrasana.

Henintsoa

Partager sur: