Taorian’ny fandraisan’ny faritra Sofia ny fankalazana ny fetin’ny Repoblika Malagasy, manao antso avo amin’ny zanaky ny faritra na ao an-toerana na any ampielezana ny tanora ao an-toerana. Anisan’ ny niantefan’izany sady nanolotena hanetsiketsika ireo karazana tetikasam-pampandrosoana ny mpanao gazety Raymond Soavimanana. Manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy tsivakivolo izy mba hanamafy ny firaisankiana hoenti-mampandroso amin’izao vanim-potoan’ny Fanavaozana, tarihin’ny Kly Randrianirina Michaël izao. Manentana manokana ny mpiray tanindrazana aminy koa izy, hifanome tanana amin’ny famoronana asa ho an’ny tanora sy ny mponina, hanome lanja ny fifandraisana anatin’ny faritra Sofia, hampiroborobo ny fizahantany sy ny varotra, toraka izany ny fanampiana ny fivelaran’ny tanora amin’ny karazana fialamboly.
Mifanojo amin’izay indrindra ny tetikasa, hametrahana toeram-pialana voly “Bord d’Antafiamadamo”, fokontany Ambalakida, ao an-tampon-tanànan’Antsohihy. Manentana ny olona tsara sitrapo izy amin’ny fifanoloran-tanana ho famitana izany.
Mangataka ny fanohanan’ny Filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Michaël, koa i Raymond Soavimanana, mba hijery sy hanampy izay tetikasan’izy ireo izay ho tombontsoan’ny besinimaro.
r.r





