Itaosy Cité: Mpianatra roa maty voahitsaky ny kamiao

Maty voahosin’ny kamiao mpitatitra entana ny mpianatra roa hamonjy sekoly, omaly tolakandro. Olona enina naratra mafy, teny Itaosy Cité. Notanana eny amin’ny mpitandro filaminana ny mpamilin’ny fiara.

Nandriaka ny ra teny amin’ny fokontany Itaosy Cité, kaominina Ambohidrapeto, omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny 1 ora sy 50 minitra. Maty notetezin’ny kodiaran’ny kamiao ny zazalahikely iray. Telo taona i Tsiriarimalala Ignace Rowan, mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina eny an-toerana. Tra-doza teo akaikin’ny sekoly izy, izay efa tao anatin’ny faritra voatokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Maty tsy tra-drano, voahosy teo amin’ny lohany. Mbola voatetitetin’ny kodiarana ihany koa ny tapany ambony. Nentina namonjy ny trano-patin’ny CSB II ny nofo mangatsiakany.
Niara-voadoana taminy ny zazavavy kely iray, enin-taona, mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina eny Avaratsena, Ambohidrapeto. Naratra mafy ny lohany. Nialana nenina namonjy hopitaly izy saingy namoy ny ainy. Ankoatra azy mianadahy, nisy olona enina hafa naratra. Zaza dimy taona sy valo taona ny anankiroa. Zatovo 17 taona ny iray. Ilay mpanampy, 25 taona, nanatitra ilay ankizy tra-doza ny iray. Tsy nahazoam-baovao ny fahenina.

Tsy fanarahan-dalàna

«Nahitana tsy fanarahan-dalàna toy ny fihoaran’ny vesatra nentiny io kamiao io”, hoy ny ben’ny Tanàna ao amin’­ny kaominina Ambohi­dra­­peto, Mihary Andriatsilavo, izay tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza. « Nandeha mafy ilay kamiao. Nisy ankizy niampita tamin’ny lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Niala ireto ankizy ny fiara. Naviliny sy nifatratra tany amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra, tamin’ny sisin-dalana taty ankavanany ilay kamiao. Izao no vokany», hoy ny olona nanatri-maso.
Notanana hatao fanadihadiana ny mpamilin’ilay ka­miao. Naiditra ambalampamonjana ny fiara nentiny. Nitarika savorovoro sy fahatezerana tamin’ny mponina eny Itaosy ny loza. Tonga nandamina ny vahoaka ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny tobim-paritra Itaosy. Efa misokatra ny fanadihadiana. Tsia­hivina fa nitolo-batana teny amin’ny mpitandro filaminana ilay mpamily vantany vao niseho ny loza.

Tsiferana R. / Mino

Partager sur: