Anosizato: Zazavavy hita faty tao anaty alan’akondro

Zazavavy 16 taona, hita faty tao anaty alan’akondro tetsy Anosizato Andrefana II, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any. Nifatotra ny tanany tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Ahina ho niharan’ny herisetra ara-nofo izy, raha ny fizahana nataon’ny manam-pahefana sy ny mpitsabo. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana, niala sy nivoaka ny tranon’ny ray aman-dreniny izy ny marain’ny alahady 8 novambra 2026 lasa teo ary tsy nody raha tsy efa tamin’ny 06 ora sy sasany hariva. Nibedy azy, araka izany, ny rainy. Tsy nahazaka izany ity farany ka lasa nivoaka ny trano. Niandry ny hiverenany ireo ray aman-dreniny saingy tsy nody izy. Nanomboka nanao ny fikarohana avy hatrany ireto farany taorian’izay. Ny fatin-janany tao anaty alan’akondro no hita.
Ankoatra izay, raim-pianakaviana iray, 27 taona, ihany koa hita faty tao anaty alan’akondro teny Ambolonkandrina ny sabotsy teo. Raha ny fanazavan’ny vadiny, nandeha nanatitra versement mitentina 450 000 ariary teny Ambohipo izy tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Niandry sy niezaka niantso azy tamin’ny finday ireo mpiara-miasa aminy, saingy tsy tonga izy. Teny an-dalana niala tao am-piasana izy ireo no nahita olona nitangorona. Rehefa nojerena dia ilay lehilahy naman’izy ireo no hita faty tao.

Mino

Partager sur: