Samy tompon’ andraikitra daholo

 

Mazava izao ny fivoaran’ny raharaham-pirenena. Efa homena herijika ny hiteny sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny lamina isan-karazany ny tsirairay. Hatramin’ny lalam-pifidianana izay ain-dehiben’ilay Madagasikara aza, apetraka eo am-pelatanan’ny olom-pirenena tsotra. Homen-danja ny tsirairay mba hivelatra, andaniny. Tarihina ho tompon’antoka amin’ny hoavy politikan’ny taninjanany, ankilany.
Tsy apetraka samy irery amin’ny mpitondra akory ny zava-drehetra. Izay ny fanavaozana tena izy katsahina fatratra, tsy hisy intsony ny didiko fe lehibe fa tsy maintsy irosoana ny fifampizarana adidy. Na inona na inona resahina, mila mandray an-tanana ny momba ny fiainany ny olom-pirenena tsirairay. Ialana amin’ny fifanomezan-tsiny lava sy ny fahadisoam-panantenana. Samy mba miezaka daholo!
Raha ho an’ny filohan’ny fanavaozana manokana, tsy mibodo fahefana fa mizara araka ny tokony ho izy. Tsy manao antsirambina ny fampandraisana anjara ilay vahoaka. Mampiseho ny tena maha demokraty azy, tsy vonona ny higeja fahefana. Mizara araka izay azo hatao. Porofon’izany, tsy misy olana herintaona aty aoriana ny fisian’ny olona dimy eny amin’ny lohan’ny Repoblika.
Mila mailo rahateo ny mpitondra amin’izao fotoana izao, tsy ampy ny miara-dalana amin’ireto milaza fa henjana rehetra amin’ny tontolo politika. Tsy hay mazava rahateo ny fatran’ny fifampitokisana azo apetraka amin-dry zalahy miofo sy miova loko lava ireto. Azo lazaina ho fahadisoana kajy politika mihitsy izany ho an’ny Fanavaozana. Zava-dehibe anefa aloha, miasa maimaim-poana ho an’ilay fitondrana izy ireo.
Manoloana ny fivoaran’ny raharaha politika, mila miray hina sy manambatra hery ny samy mpanohana. Tsy fotoanan’ny matimatikambo ho namana na mpiara-miasa akaiky fotsiny izao. Mila manao angaredona ho amin’ny fanavaozana tena izy.

r.r

Partager sur: