Manovo aingam-panahy, mihaona sy miara-paly amin’ireo akaiky sy mpankafy azy hatrany Rakoto rehefa mandalo aty Madagasikara. Mbola vonona ny hanao izany izy, ny zoma izao.
«Indray andro any angamba, mety ho tody izahay any an-tanàna… ». Sanganasan-dRakoto izay, ary anisan’ireo nitoetra sy nandrisika azy ny handalo matetika aty an-tanindrazana. Tonga indray hizara ny kantony i Yves Rakotomalala, fantatry ny maro amin’ny hoe Rakoto. Hisy ny seho hotontosainy ny 13 novambra manomboka amin’ny 6 ora sy sasany, eny amin’ny Tiers-Lieu Mahatazana Ampandrianomby. « Resakanto » no lohatenin’ny seho, satria mazava loatra hanodidina an’ izay ny fiarahana. Tsy ampy hanaovana ny hirany rehetra ny fotoana, ka tsy maintsy hotsongaina izay tena hozarain-dRakoto sy andrasan’ireo mpankafy aty an-tanindrazana.
« Hirako daholo no hatao ao. Tamin’ny taon-dasa aho no nandalo taty, nandray am-peo ny rakikira niaraka tamin’ ireo tanora mpitendry izay tena manan-talenta tokoa. Fa amin’ity fiarahana ity aloha tena hoe izaho irery, miaraka amin’ny gitara sy farara no haneho ny kanto, mba hifananaiky kokoa », hoy ny nambaran-dRakoto.
« Lalam-potaka » no lohatenin’io rakikira vaovao an-dRakoto io. Efa azo henoina any anatin’ireo fanjifana mozika rehetra toy ny « Deezer » sy ny « Spotify » izany. Mirakitra hira 12 ny vokatra, hahenoana ny fifangaroan’ny mozika, kanefa misy fototra malagasy hatrany. Miresaka lohahevitra maro, toy ny antso avo fanjairana efa fanaon-dRakoto ao anatin’ny « Mahaiza mihaino tsara » , « Tsy ekenay izany », ny fitiavana koa no resahin’ilay hira «Fitiavana maharitra », sns.
Nialoha ny « Lalam-potaka », vao tsy ela akory no namoahan-dRakoto ny « Tanànan’ny Iarivola » (2025), « Lohataona » (2022), « Pensily hazo sy kahie » (2021), « Vonona hitety lalana » (2020), raha tsy hitanisa afa-tsy ireo fotsiny. Entina hilazana izany fa tsy
« Zandry kely » ihany akory ny sanganasan’ity mpanakanto ity, na dia iny aza no be mpahalala sy nahafantarana indrindra azy. Tsy nitsahatra tamin’ny famoronana mihitsy mantsy Rakoto, ary namoaka sanganasa vaovao foana na dia tsy nipaka taty an-tanindrazana aza.
Zo ny Aina





