Haisoratra : Hitondra “Hiran’ny fo” ny Malama

Hiaka-tsehatra indray ny Malama, hitondra “Hiran’ny fo”, antsa tononkalo sy famoaham-boky ny alarobia 25 novambra 2026, amin’ny 2 ora sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano Dox Anosy. Efa tsy zoviana amin’ny mpankafy literatiora intsony ity fikambanana mpanoratra ity satria dia ho feno folo taona amin’io taona ho avy io izy ireo. “Nio­rina ny taona 2017 tao amin’ ny Kolejy Masindahy Josefa Mahamasina. Lasa sokajy iray tamin’ireo rantsana nisy tao amin’ny Ankiz’art Anosibe, ny taona 2019. Ny 2022 izy no nanangana birao mahaleo tena ary nijoro ara-panjakana. Manana sampana efatra izy ireo: Foibe nasionaly Anala­manga, Toamasina, Itasy ary Vakinankaratra. Efa maherin’ ny 50 eo ireo mpikambana, ahitana olona efa nikatroka tanaty soratra ary ahitana tanora vao misandratra ihany koa, araka ny nambaran’i Fidy, anisan’ny mpanorina ity fikambanana Malama ity. Poeta maromaro no handray anjara hamelona ity “Hiran’ny fo” ity, ahitana an-dry Fy, Ny Aina Gae, Diary Rakotoson, Mbolantina, Germi Haravia, Diarin’i Aina, Fabrizzio Rason, Tsiolaka, Ny Araka… Hetsika maimaimpoana azon’ny rehetra atrehina ny seho Antsan­tononkalo sy famoaham-boky. Tombony ho an’ireo mpankafy sy mpandala haisoratra.

Mi.Raz

Partager sur: