« Géométrie vivante Zafimaniry ». Io ny lohatenin’ny fampirantiana vaovao, ao amin’ny IFM Analakely, nanomboka omaly, hatramin’ny 21 novambra izao. Fampirantiana mampivady ny niomerika amin’ny endri-kanto hafa toy ny saripika, mozika, feo, sns, maneho ny fahaiza-manao Zafimaniry. I Antsa Arimalala avy amin’ ny vondrona Encoder Experiment no niketrika azy. Nidina tany Sakaivo ny ekipa, ny volana mey 2026, nanangona ireo akora fototra ilain’ny fampirantiana. Tany dia efa nampivadiana ny nentim-paharazana sy ny maoderina, hampitoetra ny endri-kolontsaina sy ny fahaiza-manao Zafimaniry.
Ny Zoma 13 novambra izao, eny amin’ny Le Carpe Diem Andraharo, ny Vazo kaiamba. I Mahery, i Oza Jérôme, i Dadda Samy Malagasy ary i Jean Kely no hiaka-tsehatra amin’izany. Manomboka amin’ny 8 ora alina ny seho. Hampiaina izany hiran’ny Kaiamba izany ireto mpanakanto ireto.
Fihaonan’ny piano sy ny « violon ». Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-32 amin’ny « Dimanche classique », karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Ao
amin’ny Cité des cultures Antaninarenina, ny 22 novambra izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Handidy ny « violon » i Tsiky Razafimahaleo. Hitendry ny
« piano » i Maëva Emadison. Hotendren-dry zareo miaraka ny sanganasan’i S. Prokofiev, C. Debussy, Yanni, T. Obata, S. Rachmanionoff, F. Liszt, sns. Marihina fa anisan’ireo tanora mandalina ny tontolon’ny mozika izy mirahavavy ireto.





