Fampielezan-kevitra : Tsy hisy intsony ny fizarana zavatra

“Rarana ary tsy azo atao intsony ny mizara fitaovana mandritra ny fampielezan-kevitra”. Io no anisan’ny fanapahan-kevitry ny mpizaika ta­min’ny dinika fanomanana ny fifidianana, nofaranana teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Namaky izany ny olona loharanon-kevitra iray, Rakoton­dra­tafika. Tapaka fa fandaniana ny lalàmpanorenana vaovao no latsa-bato hatao voalohany hametrahana rafitra vaovao mifehy ny Repoblikan’i Madagasikara. Tsy handray anjara ary tsy mahazo mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ireo fiarahamonina sivily. Ho fanajana ny tsy fitanilana izay, araka ny sata iraisam-pirenena. Mahazo mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra kosa ny mpiasam-panjakana, fa tsy mahazo mandray anjara ireo mpiasam-panjakana ambony voafaritry ny lalàna sy ireo voatendry tamin’ny didim-pitondrana lany tamin’ny filankevitry ny minisitra. Hamafisina ireo sazy ary hampiharina ho an’ireo mampiasa fitaovam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra. Tsy misy fetra ny vola azo laniana amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fitsapankevi-bahoaka. Afa-mandray anjara amin’ny latsa-bato ireo Malagasy monina any ivelany, ary any ivelany ihany no hanaovany latsa-bato. Tazonina ny fampiasana kara-pifidianana. Misy ireo fanitsiana na fanavaozana ireo fe-potoana mifehy ny fi­tsapankevi-bahoaka.
Nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, ta­min’ny famaranana, nitondrany ny tenin’ny filohan’ny Fana­vaozana, fa Repoblika matanjaka no hatolotra ho an’izay ho mpitondra voafidy eo, Repobli­ka misy ny rariny, Repoblika mangarahara, Repoblikan’ny firahalahiana na tsy mitovy aza ny hevitra. Voarainy ny fanapahan-kevitra. “Rehefa tonga ny fotoana hamadihana azy ho lalàna, tsy maintsy ho hitan’ny rehetra hoe manaja ny hevitra nifanarahana sy tapaka no haroson’ny governemanta”, hoy izy.

R. Nd.

Partager sur: