Mahajanga : Fanafody lany daty miisa 3 703 nodorana

Fiarovana ny mpanjifa. Fanafody lany daty miisa 3 703 no nodorana tao Mahajanga, ny sabotsy teo, taorian’ny fangatahana nataon’ny Pharmacie Avenir. Natao izany mba hisorohana ny mety ho loza ateraky ny fampiasana izany. Nanatanteraka ny asa kosa ny tomponandraikitry ny talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRCC) ao Boeny. Vonona hiaro ny mpanjifa sy ny fahasalamany ny Pharmacie Avenir tamin’ny fandraisana andraikitra nataony. Dingana iray manamafy ny ezaka amin’ny fiarovana ny mpanjifa ny hetsika natao, indrindra hisorohana ny fiparitahan’ny fanafody efa lany daty eny an-tsena sy ny fampiasan’ny olona azy. Manasongadina ihany koa ny maha zava-dehibe ny andraikitry ny mpivarotra amin’ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny vokatra amidiny izany.

Henintsoa

Partager sur: