Hetsika nasionaly Tiorka, fanao isan-taona, napetraky ny filoha Recep Tayyip Erdogan tamin’ny taona 2019, isaky ny 11 novambra, ny hetsika fanentanana ny rehetra hiaro ny tontolo iainana sy hiady amin’ny doro tanety.
Anisan’ny mankalaza izany isan-taona ny sekoly iraisam-pirenena Maarif eny Talatamaty, miaraka amin’ny masoivoho Tiorka eto Madagasikara. Miisa 169 ny zana-kazo nambolena teny Ambohimanandray, kaominina Mahitsy, Ambohidratrimo, sady nanamarihana ny faha-103 taona ny Repoblikan’i Tiorka sy ny faha-66 taonan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mahatratra 5 000 m2 ny velaran-tany nambolena hazo karazany 7. Hetsika niarahana tamin’ny fikambanana Edean Biec, niandraikitra ny fitadiavana ny tany, ny fanaovana ny lavaka ary ny fanaraha-maso ny fambolena. «Manara-maso ny hazo velona sy mijery hanasosohana izay maty izahay», hoy Ramatoa Ratrimoarilala Resine, mpitondra tenin’ny Edean.
Ao anaty fandaharam-pianarana
Nambaran’ny tale jeneralin’ny sekoly Maarif, Suleyman Karadag fa «tafiditra ao anatin’ ny fandaharam-pianaran’ny sekoly ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ohabolana Tiorka milaza fa mamboly hazo dieny tanora, manan-kialofana amin’ny hoavy, ary miaina izany ny mpianatray».
Nasongadin-dRamatoa Halime Ebru Demircan fa « tsy fanatsatohana hazo fotsiny ny fambolen-kazo, fa asa fitsinjovana ny ho avin’ny taranaka. Ho tohizana ity hetsika miaraka amin’ny sekoly Maarif ity ». Efa mahatratra 1 500 ny zana-kazo voavolin’ny sekoly Maarif tao anatin’ny 5 taona.
Njaka A.





