Haihaingo, iray amin’ireo orinasa, sehatra sy ivontoerana mifototra amin’ny fitrandrahana ny landy sy ny tontolony. Miainga any amin’ny fototra, mipaka hatrany amin’ny fanodinana ho vokatra toy ny lamba fitafy, akanjo, sns. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-18 taona nanandratana ny asa tanana sy ny kanto malagasy, hisy ny hetsika «Herinandron’ny Haihaingo», hotontosaina manomboka anio ka hatramin’ny 18 novambra izao.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hotanterahina ny fampirantiana ireo vokatra «Haihaingo», varotra, fitsidihana sy fahafantarana ny tontolon’ny landy, takarivan-kolontsaina… Ny zoma 13 novambra, «Fantaro ny landy sy ny tontolony». Fitsidihana ny eny Ambohidrabiby. Hahalalana sy hahafantarana bebe kokoa momba ny landy malagasy sy ny dingana famokarana azy.
Fantatra fa iray amin’ireo toerana ahitana karazan-javatra na asa tanana maro vita amin’ny landy ny « Haihaingo » etsy Antsahavola. Ankoatra ny eto an-toerana, efa nandray anjara tamina hetsika maro tany ivelany ihany koa ny vokatry ny fikarohan’ny Haihaingo
.
HaRy Razafindrakoto





