Toamasina : Mitohy ny fanatsarana fotodrafitrasa

Averimberin’Andriafanomezantsoa Alain, ben’ny Tanà­nan’ i Toamasina, fa anatin’ny fitondrana Fanavaozana izao ka havaozina manaraka an’izany avokoa ny lafiny rehetra. Izany rahateo no baikon’ny kly Randrianirina Mickaël, filohan’ny Fanavaozana ny Re­poblika an’i Madagasikara. “Sady renivohitra ara-toekarenan’i Madagasikara no vavahady ifandraisana amin’ny seranan-tsambo manerana an’izao tontolo izao ka tsy maintsy hatsaraina ity tanànan’i Toamasina ity”, ambetitenin’ny filohan’ny Fanavaozana. Araka izany, manao ny ezaka rehetra hanatrarana ny fanovana ho amin’ny tsaratsara kokoa ny eo anivon’ny kaominina Toamasina. Hatreto, lalampasika maro no efa vita simenitra ary vao nametrahana jiro kobra, ny alakamisy teo, izay sambany nisian’izany teto an-drenivohitr’i Toama­sina. Raha anisan’ny nahabe resaka ihany koa ny lalana mamakivaky an’i Bazary kely. Ny zoma teo, efa naseho sy nanaovana fanamboarana ofisialy izany fa hatomboka ihany koa ny asa fanarenana, izay anisan’ny lalana mampitaraina ny maro. Tsy izay ihany, hanomboka ihany koa ny lalana eo anelanelan’ny fiantsonan’ny taxi-borosy sy ny CEG Ratsimilaho, hatreny Tanamakoa. Nohamafisin’ny ben’ny Tanàna fa sarotra ny manome fahafaham-po ny vahoaka amina fotodrafitrasa manara-penitra fa ilaina fahavononana avy amin’ny mpitondra sy ny vahoaka izany.

Sajo

Partager sur: