Lalao Olympika : Tsy mbola nivoaka ny lisitry ny mpilalaon’ny Barea U23

Tsy mbola namoaka ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly Barea U23, izay hihaona amin’i Afrika Atsimo, ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Raha tsy misy nefa ny fiovana, rahampitso izy ireo no handeha ho any an-toerana, hiatrika ity lalao ity.

Afaka efatra andro, izany hoe, ny 14 novambra ho avy izao, any Afrika Atsimo, hifandona amin’ny Bafana Bafana Afrika Atsimo, ny Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny U23. Lalao mandroso tafiditra amin’ny fifanintsanana Olympika 2028, izay hotontosaina any Los Angeles, Etazonia. Hatramin’ ny nanoratanay, omaly, tsy mbola namoaka ny lisitra ny pejin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), raha toa ka efa namoaka ilay lisitra misy mpilalao 23 mirahalahy ny mpikarakara ity ekipam-pirenena malagasy zandriny ity. Nahitana mpilalao avy eto an-toerana 14 izany. “Hatreto, mbola tsy fantatra mazava ny tsy hamoahan’ny rafitra federaly ny lisitr’ireo mpilalao. Mitohy hatrany ny fanazaran-tena ho anay, ary manamafy ny taktika hatrany ny mpanazatra sy ny mpilalao”, hoy ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Staff Barea U23. Raha tsy misy ny fiovana farany, hanainga anio, hihazo an’i Afrika Atsimo, ny delegasiona. Mametra-panontaniana ny mpankafy manoloana izany. “Inona no tena antony tsy hamoahan’izy ireo an’io lisitra io?” Raha ny fanampim-panazavana voaray ihany koa, efa nanomboka afakomaly no nodinihina ha­trany io resaka mahakasika ny lisitry ny Barea U23 io. Eo ihany koa ny fifaninanana nasionaly “Pro ligue” sy ny fifaninanam-pirenena D2 na­sionaly. Andrasana indray, araka izany, ny lisitry ny Mala­gasy mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity. Tsara ny mampahafantatra fa ny 17 novambra ho avy izao no ha­naovana ny fihaonana miverina, any Afrika Atsimo ihany.

Fitia Randria

Partager sur: