Badminton – Mada sénior 2026: Mpilalao 84 hiady izay ho lohany

Hotanterahina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja badminton. Hiaka-tsehatra amin’izany ny sokajy “senior” sy ny “veterans”, lahy sy vavy. Mahatratra 84 ireo hiady ho lohany amin’izany ka miisa 25 ny vehiavy raha 59 ny lehilahy. Klioba 9 no hifaninana, avy amin’ny ligim-paritra telo dia i Vakinankaratra, Analamanga ary Atsinanana. Hizara amin’ny sokajy dimy izy ireo. Ny sokajy “A” ivondronan’ireo “Elite” miisa 16. Ny “B” ho an’ireo “Amateurs”, ny “C” ireo antonony ary ny “D” natokana ho an’ny vao manomboka. Anisan’ny mampiavaka ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity ny fahabetsahan’ny mpandray anjara. Noho izany, hatao ny faran’ny herinandro izao ny lalao fifanintsanana ary ny sabotsy 21 novambra ny dingana famaranana rehetra. Mbola hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelatanany amin’ity i Joy Toky sy i Stephania, izay samy avy amin’ny klioba MB2 All avokoa.

Tompondaka

Partager sur: