Mpianaka nisy namono : Zazalahy notapahin-doha, norasaina antsy ny renibeny

Nitrangana vono olona mahatsiravina, tao amin’ny fokontany Bejangoa, kaominina Trangahy, distrikan’Antsalova, faritra Melaky, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Renim-pianakaviana iray tokony ho 48 taona sy ny zafikeliny (zazalahy 6 taona) no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana teny an-dalana somary anaty kirihatr’ala. Teo amin’ny 3 km miala an’i Benjagoa, lalana mankany Trangahy no nisehoan’ny vono olona mahatsiravina. Maty notapahin-doha ilay ankizilahy ary noentin’ireo olon-dratsy ny lohany. Noratraina tamin’ny antsy kosa ilay renim-pianakaviana. Ankoatra izay, nahitana dian’antsy maro ny vatan’ireo maty, anisan’izany, ny teo amin’ny tanana, ny tongony, ny lohany sy ny maro hafa.
Raha ny fanazavana voaray, novonoin’olona teny an-dalana izy mianaka ireo, ary nentin’ireo olon-dratsy ny lohan’ilay zazalahy. Tsy mbola fantatra mazava ny tena anton’ny famonoana, fa efa eo am-pelantanan’ny tomponandraikitra ny tohin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
Ankoatra io tranga io, nitrangana famonoana olona mahatsiravina ihany koa tany amin’ny fokontany Soatana, Campement mahasoa I, ny alin’ny 8 novambra 2026 lasa teo. Marihina fa manomboka miverina sy misesisesy indray ny trangana vono olona tato ho ato. Miantso ny fitondram-panjakana, araka izany, ny mponina mba handray andraikitra manoloana izao tranga misy izao.

Mino

Partager sur: