Famonoana an’i Nomenjanahary Helivonjy ; Niakatra fitsarana omaly ilay lehilahy voapanga

Niakatra teny anivon’ny fi­tsarana ambaratonga voalohany, tao amin’ny sampana ady heloka bevava, omaly, ny raharaha famonoana an’i No­menjanahary Helivonjy. Zato­volahy 20 taona, nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao Antanandava, ny 30 marsa 2026 lasa teo. Hita faty tsy lavitry ny lakoron’ny tetikasa Ambatovy, somary amoron-drano, ny razana tamin’izany. Roa andro taorian’ny fahitana ny vatana mangatasiakan’ity tovolahy ity, lehilahy iray no voasambotry ny zandary avy tamin’ny vondron-tobim-paritra atsinanana. Fan­tatra fa namany akaiky sady mpifanolo-bodirindrina tamin’ny maty ihany. Niaiky ny heloka vitany moa ity farany rehefa nohadihadian’ny zandary. Nambarany tamin’ny famotorana azy fa bokan-trosa izy ka tsy maintsy nitady vola anefana izany. Vahaolana hitany ny fakana an-keriny ity tovolahy maty ity. Nangataka vola 70 tapitrisa Ariary tamin’ny ray aman-drenin’ny niharam-boina izy tamin’izany mba ho takalon’aina. “Na teo aza anefa izany, tsy hamela an’ilay namany ho velona intsony aho satria izahay mifankafantatra dia tsy maintsy novonoiko izy”, hoy hatrany ny voapanga.
Ankoatra izay, nahitana hafatra mahakasika ny fakana an-keriny sy ny famonoana olona ny findainy. Tetsy ankilany, nahitana ra ihany koa ny akanjo izay nanaovany. Mari­hina fa efa indroa nikasa hampadositra voafonja maro tao amin’ny fonjan’Ambalata­voa­hagy ity tovolahy voapanga ity saingy voasoroka izany, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny fonja.

Sajo

Partager sur: