INDRAY MIJERY

Taorian’i Mahajanga, anjaran’ny tapany Atsi­mon’i Madagasikara indray no handray ny fihaonambe ho fanavaozana ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hotanterahina ny 19 sy 20 novambra ho avy izao, ao Fianarantsoa izany. Fotoana iray hifanakalozan-kevitra amin’ireo mpampiofana, mpianatra, ray aman-dreny ary mpiara-miombon’antoka, hiaraha-mamantatra ireo laharam-pahamehana hanavaozana sy hanorenana ny hoavin’ny ETFP eto Madagasikara.

Nihaino ny fangatahan’ireo mpiray ombon’an­toka nasionaly sy iraisam-pirenena ny minisitry ny Mponina sy firaisankina, indrindra ireo miara-miasa amin’ny fitaleavam-paritra ao Vakinankaratra. Anisan’ ny nodinihina ny fanafainganana ny fikarakarana ny taratasy fankatoavana hahafahan’izy ireo manatante­raka ny asa sosialy. Tao amin’ny Tranompokonolona kosa no nampahafantarina ireo fikambanana ny maha zava-dehibe ny fijoroana ara-dalàna sy ny fisoratana anarana eo anivon’ny minisitera.

Hiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana, manomboka ny taom-pianarana 2027, ny ady amin’ny kolikoly ho an’ny Oniversiten’Antananarivo. Fiaraha-miasa amin’ny Bianco. Nosokafana tamin’ny fiando­han’ny herinandro ary haharitra roa andro ny atrikasa momba ny famolavolana taranja mahakasika izany, eny amin’ny Anjerimanontolo ho an’ny mpianatra manaraka ny mari-pahaizana Master, manomboka ny taom-pianarana 2027.

Partager sur: