Tsy maintsy mandresy an’i Guinée Bissau ny ekipa nasionaly Barea, anio, any Maroc, raha mbola te ho tafiditra anaty hazakazaka, hahazoana ny tapakila handraisana anjara amin’ny Can 2027.
«Tonga ity ny fotoana»! Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Meknes, Maroc, ny lalao mandroso hihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny OS Djurtus Guinée Bissau. Fifanandrinana izay tafiditra anatin’ny andro fahatelo ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny Can 2027. Hiankina tanteraka amin’ny fihaonana anio ny hoavin’ny Barean’i Madagasikara.
Raha mahita ady sahala ny ekipa nasionaly malagasy, ho sarotra ho azy ireo ny hahazo ny laharana voalohany anatin’ity vondrona “L” ity. Raha faharesena kosa, azo lazaina fa mbola mijanona ho nofy indray izany ilay hoe hiverina hanao Can. Tsiahivina fa firenena iray ihany no mandray anjara avy hatrany ao amin’ny sokajy misy azy ireo. Raha toa ka efa tafita avy hatrany i Tanzanie, anisan’ireo firenena mampiantrano ny fifanintsanana amin’ny taona ho avy.
Mitana ny laharana fahatelo ny malagasy, manana isa iray. Eo amin’ny laharana voalohany kosa, i Guinée Bissau, mihazona ny isa 6, ary tsy mbola nahita faharesena mihitsy tao anatin’ny lalao roa izay nataony. Raha ny fikarohana natao, izay vao hihaona ireto firenena roa ireto. Ny 17 novambra ho avy izao no hanaovana ny fifanandrinana miverina.
Ho avin’i Corentin Martins?
Tsy maintsy hanao izay fara-heriny hahazoana ny fandresena ny Malagasy mpilalao, izay tarihin’ilay frantsay mpanazatra, Corentin Martins. Marihina fa tanjona napetraka amin’ity teknisianina frantsay ity ny hamerina ny Barea indray ao anatin’ny Can. Ka hiankina amin’ny lalao anio ihany koa ny tohin’ny fiarahana eo aminy sy ny Barea.
Fitia Randria





