Tapitra ny lalao Olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026) ho an’ny Malagasy. Namarana azy ny taranja atletisma. Nihintsana teo amin’ny fifaninanana ho an’ny halavirana 200 m i Jauslin Laura. Laharana fahadimy no nisy azy ary 27 s 46 % ny fe-potoany. Ny Makis Ladies irery izany no hany nitondra medaly nody ho an’ny delegasiona malagasy.
Hiatrika ny “Grand Prix de Zagreb”, taranja judo, Rasoanaivo Laura. Fifaninanana hotanterahina any Croatie, manomboka rahampitso ka hatramin’ny alahady ho avy izao. Hiady eo amin’ny sokajin-danja latsaky ny 70 kg izy amin’izany.
Hamarana ny taom-pilalaovany ny Federation sport-automobile de Madagascar (FSAM). Ny “Grand Rallye de Madagascar” no hanakatona izany. Fifaninanana hotanterahina any Alaotra Mangoro, ny zoma hatramin’ny alahady ho avy izao. Ho fantatra eo izay hisalotra ny anarana maha tompondakan’i Madagasikara 2026.





