Nanainga omaly, hihazo an’i Afrika Atsimo, ny delegasiona ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara, sokajy zandriny U23. Tsy lasa any Afrika Atsimo niaraka tamin’ireo mpilalaony ny mpanazatra Boualem Mankour, noho ny olana ara-taratasy fahazoan-dalana hiditra amin’ny firenen-kafa “Visa”. Efa nandamina izany avy hatrany ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray. Nanamafy io mpampita vaovao anivon’ny federasiona io fa raha tsy misy ny fiovana, hanainga anio ihany ity teknisianina ity, hamonjy ireo namany any an-toerana. Tsiahivina fa ny 14 novambra ho avy izao, any Afrika Atsimo, no hifandona amin’ny Bafana Bafana ny Barean’i Madagasikara U23. Lalao mandroso tafiditra amin’ny fifanintsanana Olympika 2028, izay hotontosaina any Los Angeles, Etazonia. Ireo mpilalao avy eto an-toerana miisa 14 ihany no lasa any. Ny mpilaravinahitra kosa tonga dia hamonjy ny fampivondronana any Afrika Atsimo. Marihina fa hatramin’ny nanoratanay, omaly, tsy mbola namoaka ny lisitry ny ekipa nasionaly ny pejin’ny Federasiona FMF. Tsara ny mampahafantatra fa ny 17 novambra ho avy izao ny fihaonana miverina, any Afrika Atsimo ihany.
Fitia Randria





