Voalaza fa niharan’ny herisetra nataon’ny tompon’andraikitra tao amin’ny EPP Ambodin’Isotry ny zazalahy miisa telo, ny volana martsa teo. Niparitaka ny sary namatorana “menottes” azy ireo ka nidina an-dalambe naneho ny hatezerany ny ray amandrenin’ny mpianatra, omaly.
Ankizilahy 7 taona, miisa telo, kilasy T2 (11eme) nofatorana tamin’ny “menotte” tetsy amin’ny EPP ambodin’Isotry, ny 16 marsa 2026 lasa teo. Voalaza ho nangala-bolan’ny mpampianatra azy, izy ireo, antony nanaovana izany. Navoakan’ny mpiambina ny sekoly anefa ny sary mirakitra ny fampijaliana ireo zaza. Niparitaka haingana izany ka hitan’ny ray aman-dreny. Nahita izany ireto farany ka nidina an-dalambe, omaly maraina. Nilanja sorabaventy ary nitaky ny fialan’ny talen-tsekoly, araka izany, izy ireo. Tonga teny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra voalohany (EPP) tetsy Ambodin’Isotry ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, vantany vao naheno ny zava-misy. Nifampiresaka tamin’ny talen-tsekoly sy ireo mpampianatra ary ny solontenan’ireo ray aman-dreny izy, nandritra izany. Nambarany taorian’izay, fa tsy maintsy handraisana fepetra ireo mpampianatra sy mpanabe nanao herisetra tamin’ireo ankizy miisa telo ireo. “Tsy maintsy hiafara amin’ny fandroahana tsy ho mpiasam-panjakana mihitsy izany raha nahitana porofo tokoa”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina.
Niharan’ny vono
Tsiahivina fa nivoaka nividy zavatra tany ivelan’ny fianarana ny mpampianatra an’ireo zaza ireo, tamin’io fotoana io, raha ny fanazavana voaray teny an-toerana. Najanony tao an-tsekoly ny poketrany. Nambarany fa tsy tao intsony anefa ny vola 20 000 ar rehefa niverina izy. “Nosavaina avokoa ireo mpianatra rehetra tao an-tsekoly nefa tsy nahitana io vola nolazainy io”, hoy ny fitantaran’ny zanaky ny mpiambina ny sekoly raha nanontaniana. Nitaraina tamin’ny talen-tsekoly, araka izany, ilay mpampianatra. Tezitra ity farany ka namatotra ireo ankizilahy miisa telo izay voalaza fa nangalatra ny volan’ilay mpampianatra. Nohidina ora maromaro tao amin’ny efitranon-tsekoly ireo zaza ireo taorian’ izay. Nambaran’ny rahavavin-drenin’ny ankizy iray lasibatra fa voatery nosoloina ilay vola very. “Nanolo 5 000 ariary avy ny ankizy tsirairay izay voasazy”, hoy izy. Nambarany ihany fa sady niharan’ny kapoka kifafa ireo ankizy ireo tamin’ny fotoana nitazoman’ny tale sy ny mpampianatra azy tao.
Mino





