Modely rosiana : Velaran-tany 8 000 ha hampiharana ny Agropoles

Ohatra velona hanafainganana ny fahaleovantena ara-tsakafo ny fahombiazan’ny fomba fambolena rosiana, ny Agropoles. Tena niankina tamin’ny fanafarana varimbazaha i Rosia, talohan’ny taona 2014, saingy niova izany, ka lasa sangany amin’ny famokarana varimbazaha sy zezika maneran-tany, ankehitriny. Natao sonia tany Moskoa, ny 29 oktobra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’i Madaga­sikara sy Rosia mahakasika ny hampiharana ny Agropoles. Nanatontosa azy ny minisitry ny Fambolena sy ny fahaleovantena ara-tsakafo, Ramindo Gaëtan, sy ny minisitry ny Fambolena rosiana, Oksana Lut.
Velaran-tany 8 000 ha no hampiharana ny teknika Agropoles eto Madagasikara. Hisy sekoly hatsangana hanofana sy hanamafy ny fahaiza-manao, hampitana teknolojia maoderina ny tanora (Agripreneurs) amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana. Eo koa ny lafiny fikarohana mahakasika ny fanatsarana ny masomboly sy ny zezika ary ny karazam-biby fiompy. Hisahana izany ny ivontoerana rosiana Vavilov, ikoizana maneran-tany amin’ny masomboly. Tsara ho fantatra fa anisan’ny firenena fanta-daza, mpamokatra zezika, ahitana potasy, azota ary fôsifaty, i Rosia.

Njaka A.

Partager sur: