Taorian’ny fiakaran’ny raharaha famonoana an’i Nomenjanahary Helivonjy teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Toamasina, afakomaly. Voasazy hanao asa an-terivozona 20 taona an-tranomaizina ilay tovolahy 20 taona, tompon’antoka tamin’ny famonoana ny namany. Ankoatra izany, mbola mandoa onitra mitentina 100 tapitrisa ariary amin’ny fianankavian’ny maty ihany koa izy. Naharitra ora roa sy 30 minitra ny fotoam-pitsarana ny raharaha. Fantatra nandritra izany fa namana akaiky an’ilay tovolahy maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ity nahavanon-doza ity, tamin’ny 30 marsa 2026. Nalainy an-keriny io namany io, avy eo novonoiny ka natsipiny tany anaty kirihitr’ala manamorona ny lakandranon’ny pangalanina, taorian’izay. Nitakiany vola manodidina ny 70 tapitrisa ariary ny ray aman-drenin’ny maty ho takalonaina tamin’izany. Efa telo volana mialoha no nanomanany ny tranga, saingy tamin’ny 30 marsa teo vao tanteraka.
Sajo





