Fambolena orge: Mitaraina avokoa ny tantsaha mpamboly

Amanaliny ny tantsaha mamboly sy mivelona amin’ny fambolena orge any amin’ny fokontany sy kaominina maromaro ao amin’ny faritra Va­kinankaratra sy Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania. Efa ho 50 taona izao izy ireo no misehatra amin’ity fihariana ity. Sahirana tanteraka izy ireo, ankehitriny, satria, nihena ho 1 600 ha sisa ny velaran-tany ambolena any amin’ny faritra rehetra, amin’ity taona 2026 ity, raha 2 200 ha izany teo aloha. Nihena 25% ny isan’ny mpamboly orge, lasa 15 000 sisa raha 20 000 tamin’ny taona 2025. Singa­nina amin’izany, nihena ho 414 ha ny velaran-tany any Amoron’i Mania, raha 600 ha ny taona 2025. Lasa 3 790 sisa ny mpamboly, tamin’ity taona ity, raha 4852 tamin’ny taon-dasa.
Anisan’ny tena voakasik’ity tranga ity koa ny any Va­kinankaratra. Nilaza Ramatoa Razafimalala Paulette, monina any Atsimotsena, kaominina Betafo, fa « tena sahirana izahay, satria nahena ny velaran-tany ambolena. Nihena koa ny masomboly sy ny zezika novatsian’ny orinasa mpan­dray ny vokatra. Very hevitra, tena mahantra izahay, tsy manana vola ampiasaina andavanandro sy hambolem-bary intsony ».

Mavesatra ny hetra
Nanamarika Rakotondrai­nibe Jean Pierre, monina any Ambohijato, kaominina Man­dritsara, distrika Betafo, fa nahatonga izao fahasahiran’ny mpamboly orge izao, ny vesatry ny hetran’ny orinasa, satria, miantraika any amin’ny fahahafahany mividy ny vokatra. Mizaka mivantana ny vo­ka-dratsiny ny tantsaha, izay efa sahirana ara-toekarena sy ara-tsosialy.

Njaka A.

Partager sur: