Fandraharahana ho an’ny tanora : Miara-miasa i Madagasikara sy Indonesia

Nihaona ny delegasiona malagasy, nahitana ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, sy ny Ivontoerana na­sionaly momba ny fam­pianarana ampitain-davitra (CNtemad) sy ny Asosiasi Inkubator Bisnis Indonesia (AIBI), ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izany no nanaovana sonia fifanarahana hampivelatra ny fahaiza-manaon’ ny tanora, hanamora ny fahazoana asa sy hampiroborobo ny fandraharahana. Anisan’ny sehatra lehibe voakasik’ity fiaraha-miasa ity ny fanovana
ny CNtemad ho oniversite an-jotra ho an’ny daholobe. Ma­nana ivontoerana miisa
54 sy mpianatra 13 000 hatramin’ny 15 000 isan-taona ny CNtemad, natao hanitarana ny fahafahan’ny rehetra ma­hazo fampianarana ambaratonga ambony manara-penitra manerana ny Nosy.
Ao anatin’ny fanovana ara-niomerika ny fampianarana ambaratonga ambony raha­teo ny CNtemad, ankehitriny. Tohanan’ny tetikasa Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar (Decim), vatsian’ny Banky iraim-pirenena ary eo ambany fiahian’ny MNDPT ny fiovany ho Université virtuelle publi­que. Eo koa ny fametrahana Technopark, hampifandray
ny fiofanana, ny fanohanana ireo tanora mpandraharaha, hahafahan’izy ireo mamorona sy mampivelatra orinasa vaovao.

Vonjy

Partager sur: