Moto halatra tafaverin’ny zandary amin‘ny tompony teny Anjomakely, omaly maraina. Nalain‘ny jiolahy mpamaky trano nandritra ny alina io moto io. Nanao fisafoana ny zandarimaria miasa ao Ambohijanaka ka nifanehatra tamin‘ireto farany ireo jiolahy, omaly maraina tamin‘ny 3 ora.
Voatazona vonjimaika any am-ponja ny mpamily fiara nandona ka nahafaty zazavavy 4 taona tao Sahamamy, distrikan‘Amparafaravola, afakomaly. Nilalao taorian‘ny fiara ity zaza ity izay voalaza fa tsy tsikaritry ny mpamily.
Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny Zandary miasa ao Ambohimangakely, afakomaly alina. Tratra ny zoma teo ity olon-dratsy ity ary niaiky hitoroka ireo namany. Nikasa handositra izy rehefa nentina tamin‘ny toerana hanondroany ireo mpiray tsikombakomba aminy. Vokany, maty voatifitra izy.
Fiara nitondra mpampianatra niala lavaka kanjo nivoaka ny lalana tampoka teny amin’ny lalam-pirenena fahafito mihazo an’Antsirabe, omaly. Tsy misy nahiana ny ain’ireo mpandeha. Manaitra ny tomponandraikitra hanara-maso akaiky an’ireo lalana mbola tsy vita kanefa mampidi-doza amin’io lalam-pirenena ireto farany.





