VAOVAO TAMBATRA

Mpiasam-panjakana maherin’ny 80 no miofana hamolavola paikady hampiroboroboana ny indostria, ny hanangana faritra ara-toekarena manokana ary ny hanatsara ny famatsiana angovo. Tetikasa atao mandritra ny efatr’andro izay tafiditra anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fampiroboroboana ny indostria. Miara-misalahy amin’izany ny minisiteran’ny Fampirobo­roboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) sy ny Onudi.

Hahatratra 18 000 taonina (t) ny letisia haondran’i Madagasikara mandritra ny taom-piotazana 2026-2027. Hitondra vokatra 15 000 t ireo sambo roa voalohany hiala eto an-toerana. Anisan’ireo tsena kendrena ny ao Eoropa, Rosia, Dubai ary Mayotte.

Vita Sonia ny zoma teo ny fifanaraham-piaraha-miasan’i Madagasikara sy Indonezia hanofanana ny tanora sy ny fampivelarana ny fandraharahana. Tafi­ditra ao anatin’izany ny hanovana ny CNTEMAD ho oniversite ana habaka, ny tetikasam-pananganana Technopark. Ity farany izay natao hampifandray ireo tanora mpandraharaha, mpampiofana, mpisehatra amin’ny teknolojia ary mpampiasa vola

Partager sur: