«Mila hatsaraina ny tontolon’ny asan’ireo dépôt de médicament na fivarotam-panafody izay miparitaka any ambanivohitra», hoy i Nandrianina Razafimantsoa, filohan’ny Groupement professionnel des dépositaires de médicaments de Madagascar (GProDMM). Mitombo amin’ny sehatry ny matihanina sy manara-penitra hatrany ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hanomezan’ireo mpivaro-panafody ny tolotra tsara ho an’ireo mpanjifa, indrindra any amin’ireo toerana lavitry ny renivohitra.
Faritra telo no efa nahazo fiofanana, anisan’izany ny tany Ihorombe, Matsiatra Ambony ary Sofia. Ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no mandefa ny DPLMT mampiofana. Tsy maintsy atao ny fiofanana, satria maro ireo tsara ho fantatra, indrindra ny fitsinjarana ny fanafody. Aina no tandrovana ary fanafody no kirakiraina ka tena mila manaraka ny fiofanana ireo mpivaro-panafody.
Mivoatra hatrany ny tontolon’ny fanafody sy ny aretina vaovao ka mila fantarina. Mila manara-dalàna ihany koa ny mpivarotra fanafody eo am-panatanterahana ny asany. Manodidina ny 1500 ny dépôt de médicament voasoratra anarana farany. Manoloana ny hosoka, tsara ho fantatra fa mahazo taratasy fahazon-dalana avy amin’ny fanjakana mihitsy ireo tena ara-dalàna ary mipetraka mazava amin’ny toeram-pavarotana izany.
Tatiana A





