Hifanome fotoana amin’ny mpankafy, anio, ny ekipam-pirenena, Barean’i Madagasikara. Hifanandrina amin’ny OS Djurtus Guinée Bissau ny Malagasy. Misy mpilalao tsy afaka hilalao noho ny karatra mavo roa sy ny ratra.
Hotanterahina anio, any Bissau, ny fihaonan’ny OS Djurtus Guinée Bissau sy ny Barean’i Madagasikara. Fifanandrinana izay tafiditra anatin’ny andro fahefatry ny fifanintsanana Can 2027, ho an’ny vondrona “L”. Tsy maintsy mitady fandresena amin’io fihaonana io ny Barea, raha tian’izy ireo ny mbola hanohy ny hazakazaka anatin’ny fifaninanana amin’ny ady tapakilan’ny Can ity. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, tsy afaka hiakatra kianja amin’io lalao io ny mpilalao efatra ao amin’ny ekipa nasionaly malagasy.
Anisan’izany, ry Nicolas sy Rado be, izay nahazo karatra mavo roa, nifanesy tamin’ireo lalao telo nataony. Maratra ary nalefa nody niverina any amin’ny kliobany kosa ry Mathieu Acapandié, sy i Clement Couturier. Raha ny fanazavana azo avy amin’ity mpampita vaovao ity hatrany, mafana tanteraka ny andro any amin’izy ireo, izay mahatratra 35°C. Raha ny sarisarin’ny fanazaran-tena any an-toerana, azo eritreretina ny hahita an’i Sonny Laiton, ho mpiandry tsatoby voalohany, anatin’ny Barea.
Tsara ny mampatsiahy fa laharana fahatelo, anatin’ny sokajy “L”, ny ekipam-pirenena malagasy, ary manana isa 2. Tamin’ireo lalao telo vitany, faharesena iray sy ady sahala roa no vokatra azon’izy ireo.
Lalao Olympika
Ankoatra ny Barea zokiny, hiakatra an-tsehatra anio ihany koa, any Afrika Atsimo, hidona amin’ny Amaglug-glug Afrika Atsimo, ny ekipam-pirenena malagasy sokajy zandriny U23. Hanala vela ny Malagasy, izay efa lavon’ny afrikanina tatsimo, 1 no ho 0, nandritra ny lalao mandroso, natao ny sabotsy lasa teo tany an-toerana ihany. Marihina fa ao anatin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanana Can U23 2027, izay hiadiana toerana amin’ny lalao Olympika 2028 ity fifanandrinana miverina ity.
Fitia Randria





