Norombahin’i Fred sy i Andry, ny “Grand Rallye de Madagascar” andiany faha-46. Dingana farany notanterahina tany Moramanga ny 13 – 15 novambra lasa teo. Araka izany, voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taom-pilalaovana 2026 izy mirahalahy. Iny ihany koa no nanakatona ny taom-pilalaovana ho an’ny federasiona (FSAM).
“Asio telo any”. Fifaninanana basikety lalaovina olona telo karakarain’ny kaomision’ny mpitsara eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB). Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny 28 sy 29 novambra ho avy izao. Sokajy U14, U16, U18, U20 lahy sy vavy ary “Open” lahy sy vavy ary “veterans”.
Nandrombaka medaly volafotsy i Maylis nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja judo ho an’ny sokajy -48 kg. Fifaninanana notanterahina tany Côte d’Ivoire ny faran’ny herinandro lasa teo. Resy teo amin’ny fihodinana voalohany kosa i Laura, teo amin’ny “Grand Prix de Zagreb”, ho an’ny sokajy -70 kg.





