TSELATRA

Lehilahy iray hita faty tetsy amin’ny Cenam Andavamamba, omaly maraina. Hita nitsirara teo amin’ ny sisin-dalana manamorona ny rano izy. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Ankoatra izay, lehilahy iray hafa ihany koa hita faty tao anaty rano tetsy Tanjonandriana Ambohimanambola, omaly atoandro. Efa nalain’ny BMH ny razana ary naterina eny amin’ny tranom-paty.
Antsoina ny fiakavian’ny lehilahy iray izay nanorina trano eo amin’ny andrin-jiro ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Hoesorina eny an-toerana ity lehilahy ity mba hisorohana ny loza mety hiseho. Aorian’ ny fifampidinihana amin’ny fianakaviany, hiroso amin’ny fandravana ireo trano nahorin’ity lehilahy ity ny tomponandraikitra. Andrin-jiro mitondra herinaratra mahery vaika ity nosafidiany hanaovana trano fonenana ity.
Voasambotry ny mpitandro filaminana, tao Toamasina, ny lehilahy iray, nangalatra herinaratra. Manao “branchement direct” amin’ny andrin-jiron’ny jirama izy. Mi-charge tuc tuc isan’andro amin’ny sarany 10 000ar isaky ny iray. Manodidina ny 280 000ar isan’andro ny vola azony mandritra izany. Miteraka fatiantoka ho an’ny Jirama ny tsy fanarahan-dalana ataony sady manimba fitaovana satria mitarika ho amin’ny firehetana tranon-jiro.
Naiditra vonjimaika any am-ponja ny 9 novambra 2026 lasa teo, ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ ny asa fanendahana sy fandratrana olona ao Antsirabe. Rehefa avy niakatra teo anivon’ny fampanoavana ny tenany. Tsiahivina, voasambotra teny amin’ny Piste Vatofotsy ny 6 novambra lasa teo ity farany. Tratra ambodiomby teo am-panendahana sy nandratrana olona iray tao anaty maizina. Fantatra nandritra ny fanadihadiana azy fa efa mpamerin-keloka ity lehilahy ity.

Partager sur: