Aretina Mpox : Mitotaly 23 ireo maty, hatreto

Manao tatitra ny trangana Mpox ny Pr Mamy Randria. Raha ny fivoaran’ny aretina ny herinandro teo, nahitana tranga ahina vaovao miisa 39 teto Madagasikara ary tranga voamarina 18. Olona 14 no sitrana ary tsy nisy aina nafoy.
Mitotaly 5940 ny tranga ahina tao anatin’izay fotoana nisian’ny Mpox teto izay. 3824 ny tranga voaporofo ary 3207 ireo olona sitrana. Nahatratra 23 kosa no olona namoy ny ainy vokatr’ity aretina Mpox ity hatramin’izay.
Ny toerana tena nahitana ny valanaretina tamin’iny herinandro iny dia tao Antsohihy sy Antananarivo, Ihosy, Fenoarivo Atsinanana, Maevatanàna, Ambohidratrimo, Analalava…
Manaporofo ny tarehimarika fa misoko mangina any anaty fiarahamonina ny valanaretina Mpox. Mila hamafisina ny fisorohana sy ny fiarovan-tena mba tsy iparitahan’izany. Tanjona ny hanafoana tanteraka ny aretina faran’izay haingana raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny minisitera, Pr Mamy Randria.

Tatiana A

Partager sur: