Mampahafantatra ny asan’ny mpamonjy voina ny lehiben’izany sampandraharaha izany eto Antananarivo, ao anatin’ny CUA, ny lietna-kly Ralaivaonoro Eric. Matetika ny fifehezana ny afo no hafantarana ny mpamonjy voina. Anjaran’izy ireo no miaro ny vahoaka sy ny fananany amin’ireny loza ireny.
Miantsehatra amin’ny famonjena olona latsaka an-drano, ny lozam-pifamoivoizana, ny fiakaran’ny rano,
aliaka romotra, ny hazo ahina hitera-doza, ny fihotsahan’ny tany, trano mirodana… Rehefa loza mananontanona ny olona na fiarahamonina dia iandraiketan’ny mpamonjy voina.
Manana Casernes 6 ny sampana mpamonjy voina. Ezaka ny hananganana izany eny amin’ny boriborintany fahefatra. Manakaiky ny tanàna avokoa ireo mba tsy hiandry ela ny vonjy voina.
Miantsehatra ivelan’Antananarivo Renivohitra ihany koa anefa ny ekipa eto Antananarivo. Misy ny fifanarahana tamin’ny CUA sy ny kaominina manodidina hahafahana miasa any. Anisan’izany i Alasora, Itaosy, Ivato, Andranonahoana…
Rehefa tonga ny rivodoza miteraka tondradrano, miara-miasa amin’ny BNGRC ny mpamonjy voina ary miasa hatrany amin’ny faritra manatanteraka ny asa famonjena aina.
118 ny laharana maitso antsoina raha misy loza hita eny an-dalana.
Amin’izao fahavaratra izao, tokony asiana gonim-pasika ny tafo marefo. Mila miala amin’ ireo faritra mena tandindomin-doza ireo mponina. Mivonona sahady amin’ny rivodoza…
Tatiana A





