Fiatrehana ny voina : Hizara traikefa amin’ny malagasy ny amerikanina

Notanterahina, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe ny fifanarahana momba ny fividianana sy fifanakalozana fampitaovana (ACSA – Acquisition and Cross Servicing Agreement) eo amin’i Madagasikara sy i Etazonia.

Nanao izany fifanaovan-tsonia izany ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Maminirina Ely sy ny tale lefitra misahana ny fandrindrana sy ny fanatanterahana ny hetsika ara-miaramila eo anivon’ny kaomandin’ny Tafika amerikanina aty Afrika (U.S. Africom), ny Jly Thomas M. ARMAS. Marihina fa dingana iray manan-danja eo amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny firenena roa tonta ity fifanarahana ity, indrindra eo amin’ny lafiny fampitaovana, ny fiarovana an-dranomasina ary ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny voina sy ny loza voajanahary. Nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera jeneralin’ny MFA, ny Jly Andriamasinoro Fanjanirina, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera sy ny etamazaoron’ireo Tafika. Teo koa ny mpiraki-draharahan’ ny masoivoho amerikanina, Tom Bevan, sy ny mpanolotsaina mi-sahana ny fiarovana sy ny fi­fandraisana ara-miaramila, ny kapitenin-tsambo, Michelle Cala­rasu. Ny fifanarahana ACSA dia mametraka rafitra ara-dalàna ahafahan’ny Tafika Malagasy sy ny Tafika Amerikanina mifampiraharaha amin’ny fifanakalo­zana, ny fividianana ary ny fa­ma­tsiana fitaovana sy fikojakojana ilaina amin’ny fanatanterahana ny iraka sahaniny. Ahafahana manamora ny fifanohanana sy ny fandraisana andraikitra haingana mandritra ny fotoan-tsarotra toy ny hetsika vonjy taitra sy ny maha olona ary ny fiofanana na fanazaran-tena ara-miara­mila iarahana. Tafiditra ao anatin’ izany ny fiaraha-mientana amin’ ny fisafoana an-dranomasina sy ny fanazaran-tena iraisam-pirenena, toy ny « Cutlass Express » ary ny hetsika vonjy taitra ma­noloana ny loza voajanahary. Nohamafisin’ny MFA fa ho tombontsoan’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy izao fiahara-miasa izao.

Jean Claude

Partager sur: