Notontosaina omaly, tao Bissau, ny andro fahefatra amin’ny fifanintsanana Can ho an’ny vondrona “L”. Lavon’i Guinée Bissau, tamin’ny isa 2 no ho 0 i Madagasikara
Tsy ao anatin’ny hazakazaka hifanintsana amin’ny Can 2027 intsony ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Resin’ny Os Djurtus Guinée Bissau, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara, omaly, tao amin’ny kianjan’ny 24 septambra ao Bissau. Raha hiverenana kely ny fihaonan’ny roa tonta, toa nifandanja ihany ny fifanafihana, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. Teo amin’ny faha-32 minitra nilalaovana, nahatafiditra baolina ilay lohalaharan’ny Os Djurtus, i Mama Baldé, rehefa nanao tandrevaka ny vodilaharana malagasy. Niezaka nanao izay ho afany ihany ry Ryan Raveloson sy Marco Ilaimaharitra saingy tsy nahasahala ny isa ry zareo. Io isa 1 no ho 0 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tao anatin’ny fidirana faharoa, mbola nampiseho ny heriny hatrany ny Os Djurtus, mbola nampian’ i Baldé indray ny isa teny amin’ny solaitrabe, ny minitra faha-71, ka niafara tamin’ny isa 2 no ho 0 ny lalao, resy i Madagasikara. Manana isa roa ao anatin’ny sokajy “L” izany ny ekipa nasionaly malagasy, raha toa ka isa 10 ny an’i Guinée-Bissau. Manao veloma sahady ny Can 2027 ny Malagasy. Tsara ny mampatsiahy fa ao amin’ity sokajy misy ny Barea ity, iray ihany no miakatra any amin’ ny Can 2027, noho ny fisian’i Tanzanie, izay firenena mampiantrano efa tafita avy hatrany.
Fitia Randria
.





