Mitohy hatrany ny vokatra tsara azon’ny Malagasy mpikatroka, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, amin’ny taranja Jiu-jitsu brezilianina, izay tontosaina any Abu Dhabi. Taorian’ilay vehivavy malagasy, i Nofy Chuck, izay nandrombaka ny medaly volafotsy, ny 10 novambra lasa teo, mbola niampy roa indray izany volafotsy izany rehefa nahazo ny laharana faharoa, teo amin’ny sokajy zandriny avy, ry Ranaivomanana Idealisoa, vehivavy, sy Ranarivelo Ando Mahasoa, lehilahy.
Ho an’i Idealisoa, sokajy -32 kilao, lavon’ilay brezilianina, Campos Chloé, teo amin’ny fifanandrinana farany ny tenany. Resin’i Aidaruly Zanggar, avy atsy Kazakhstan, i Ando Mahasoa, nandritra ny famaranana, sokajy -42 kilao. Tsara ny mampatsiahy fa efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena tahaka izao izy mianadahy ireo, ny taona 2025 lasa teo, ka nivimbina ny medaly volamena i Idealisoa, raha toa ka alimo ny an’i Ando Mahasoa, tamin’izany fotoana izany.
Fitia Randria





