Rugby Club Tanora Soavimasoandro:  Nankalaza ny fiaraha-miasa sy ny fahombiazany

Mampirehareha ny sekolin’ny Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS), ireo mpilalao telo mirahavavy, nan­drombaka ny medaly ali­mo nandritra ny Lalao Olym­pika ho an’ny tanora (JOJ 2026) natao tany Dakar, ny fiandohan’ny volana lasa teo, niaraka tamin’ny Makis Ladies Junior. Nankalazaina izany nandritra ny Andron’ny mpiara-miombon’antoka (Partners Days), natao teny an-toerana, nysabotsy 14 novambra 2026. Andiany faha-14, nokarakarain’ny fikambanana Pachama­ma sy ny RCTS. Nanatrika ny lanonana ny masoivoho frantsay vaovao eto Madagasi­kara, Jean-Marc Grogurin, izay nanohy ny ezaka nataon’ny teo alohany. Izany dia hanehoana ireo zava-bita azon’ny klioba. Tsiahivina fa mpilalao novolavolaina tao amin’ny RCTS izy telo mirahavavy dia i Sariaka sy i Josée ary i Landy. “Zava-dehibe ny fanofanana ny tanora dieny mbola kely mba hahazoana fahombiazana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hahatongavana ho mpitarika eo amin’ny tontolon’ny rugby malagasy”, hoy Razafimbololona Ro­jo Hasimamy, Filohan’ny RCTS. Marihina fa tafakatra ao amin’ny “Top 20” ny RCTS lehilahy ary laharana fahefatra tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ny vehiavy. Na teo aza ireo vokatra ireo, miaiky ny klioba fa mbola misy olana eo amin’ny fanatanterahana ny fanazarantena, noho ny andraikitra sy ny asa ho an’ireo mpilalao vehivavy.

Tompondaka

Partager sur: