Nifarana ny dian’ireo iraky ny iraisam-pirenena, toy ny Sadc teto amintsika. Naharitra 10 andro ny iraka. Nisy ny jery todika nataon’izy ireo.
Nanome toromarika sy fanamarihana ankolaka amin’ny fomba diplaomasia ireo iraky ny sehatra iraisam-pirenena manoloana ny toe-draraharaham-pirenena eto amintsika. «Tsy maintsy jerena akaiky ny fampandraisana anjara ny rehetra sy ny momba ny tetiandro mazava mba hisorohana ny fitarazohana sy ny tsy fitoviam-pijery momba ny Tetezamita», hoy izy ireo raha namintina ny dian’izy ireo teto. Nohitsin’ ireto iraka ireto fa tsy maintsy vahana avokoa ireo rehetra ireo mialoha ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2026. «Miankina amin’izany ny hankatoavan’ny iraisam-pirenena ny ho mpitondra vaovao, filoham-pirenena ho avy eo», hoy ihany ny Sadc sy UA ary ny ONU.
Tsiahivina fa anisan’ny nifantohan’ny dinika teo amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël sy ny iraky ny Sadc, Joyce Banda, afakomaly teny Iavoloha ny fepetra ahafahana mikarakara fifidianana madio, mangarahara ary ampandraisana anjara ny rehetra. «Ilaina ny mandinika ny zava-misy eny ifotony sy ny soso-kevitra voaray, mba hahazoana antoka fa eken’ny rehetra ny fizotry ny fifidianana», hoy izy.
Hanara-maso akaiky ny Sadc
Notsindriany ny tokony hanafainganana ny fanomanana ny fifidianana hotanterahina amin’ny taona 2027.
Anisan’ny dingana manaraka amin’ny fanelanelanan’ny iraisam-pirenena ny hametrahana ny biraon’ny Sadc eto amintsika. «Hanamora ny fanaraha-maso sy ny fandrindrana ireo asa mifandraika amin’ny fizotry ny tetezamita», hoy izy ireo. Nankasitraka ny ezaka nataon’ny Sadc ny filohan’ny Fanavaozana ary nilaza fa zava-dehibe ny fanatanterahana ireo tolo-kevitra efa natolotra. «Tsy hijanona ho antontan-taratasy fotsiny ihany izany fa mba ho asa vita», hoy izy.
Synèse R.





