FANTINA sy FINTINA

Nankasitraka ny ezaka vitan’ny fitondrana ny ONU sy ny Vondrona Afrikanina. Niantso avo sy nampirisika ny hery rehetra izy ireo mba handray anjara amin’ ny fanavaozana ny lisi-pifidianana; ny dinika sy fakan-kevitra nasionaly ; ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana ary ny fifidianana filoham-pirenena.
Ilaina ny fanavaozana ny orinasa Jirama sy ny fitantanana ny solika, araka ny nambaran’ny solontenan’ny FMI nanoloana ireo depiote, omaly, teny Tsim­bazaza. Nanterin’izy ireo fa tokony hahay hisafidy ny laharampahamehana ny fanjakana. Nitaky ny hanamaivanana ireo fepetran’ny FMI momba ny tetibola 2027 kosa ireo depiote.
Nahemotra ny fifidianana ny ho sekretera jeneralin’ny Frankofonia noho ny tsy fisian’ny marimaritra iraisana. Tokony notanterahina afakomaly any Phnom Penh, Cambodge amin’izao fivoriambe izao izany. Tsy raikitra izany noho ny disadisa sy ny fihenjanana eo amin’i Rwanda sy ny RD Congo. Mijanona amin’ny toerany aloha izany ny am-perinasa.
Niofana ireo ben’ny tanàna sy mpikirakira taratasim-bola amin’ireo kaominina miisa 23 any amin’ny distrikan’i Moramanga ny herinandro teo. Niofana momba ny fitantanam-bola izy ireo. Nofanina koa ireo mpitantana ny kaominina misitraka tamberim­bidy avy amin’ny harena ankibon’ny tany. Natao izany ho fanatsarana ny fitantanam-bola, araka ny lalàna.

Partager sur: