Fiaraha-miasa momba ny rano, ny tanora sy ny fanatanjahantena, ny fampiasam-bola, ny toekarena, ny lafiny sosialy sy politika. Ireo no misy eo amin’ny Repoblika arabo Ejipta sy i Madagasikara, taorian’ny fitsidihana ofisialin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, an’i Ejipta, ny 29 sy 30 jolay. Tamin’ izany, nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana dimy tonta teo amin’ny delegasiona roa tonta, taorian’ny fihaonan’ny filoha malagasy sy ny filoha ejipsianina, i Abdel Fattah al-Sissi. Omaly, nampahatsiahy izany ny ambasadaoro vaovao an’i Repoblika Arabo Ejipta, i Sylvia Fouad Georgy Mikhail, nanolotra ny taratasy manendry azy ho ambasadaoro tamin’ny filohan’ny Fanavaozana, teny Iavoloha. Nambaran’ny ambasadaoro vaovao fa mitohy ny fanatanterahana ireo fifanarahana dimy amin’ny fifanakalozana ara-teknika.
Taorian’izay, nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoron’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina, i Liu Wei, tamin’ny filohan’ny Fanavaozana. Nifantohan’ny diniky ny roa tonta ny fanamafisana ny fifandraisana diplaomatika eo amin’ny firenena roa tonta efa 55 taona. Nanterin’ny filohan’ny Fanavaozana fa zava-dehibe ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Chine, anisan’ny firenena matanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toa an’i Rosia sy i Etazonia. Be ny fanantenan’ny kaontinanta afrikanina amin’ireo firenena ireo, ary maniry fanohanana bebe kokoa avy amin’i Chine
i Madagasikara. Anisan’ny nanamafy izany ny fisian’ny fifanarahana efa vita tamin’ireo orinasa sinoa sy ny fanomezana samihafa natolotr’i Chine ho an’i Madagasikara. Nanamafy ny fahavonon’ny fitondrana sinoa hampivelatra ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara amin’ireo sehatra stratejika ny mbasadaoro vaovao.
R. Nd.





